Finoana

Fiangonana FJKM Mitohy ny tantara


  • Talata 06 Septambra 2016

Tontosa omaly maraina teny amin’ny foibe Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara Analakely ny fifamindran-draharaha teo amin’ny mpitantana ny Fjkm

 

. Nirary soa sy nitso-drano ireo mpiandraikitra foibe vaovao tarihin’ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi amin’ny asan’Andriamanitra ho fampiroboroboana ny fiangonana kristianina protestanta Malagasy ny filohan’ny Fjkm teo aloha ny mpitandrina Rasendrahasina Lala Haja. Nisaotra sy nankasitraka ireo ezaka vita tao anatin’ny 12 taona nitantanan’ity farany sy ireo mpiara-miasa rehetra taminy kosa ny mpitandrina lehiben’ny Fjkm vaovao. «Laharam-pahamehana ny fanohizana ny tantara sy ireo asa vavolombelona natomboka ho porofon’ny fahaveloman’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara», hoy ny filoha mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi. Iray amin’ireny ny fampanjakana ny fifankatiavana kristianina. Iraka maika miandry ny Birao Mpiandraikitra foibe Fjkm vaovao moa ny famadihana ho asa ireo fanapahan-kevitra marobe tinapaka nandritra ny synoda lehibe farany teo tao Antsirabe. Eo am-pandaminana ny drafitrasa fanatanterahana izany mandritra ny efa-taona rahateo ireo mpikambana mpanatanteraka Fjkm ankehitriny, araka ny fanampim-panazavany.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT