Finoana

Fiangonana FJKM Manameloka ny fisamborana an’Atoa Ravalomanana


  • Talata 14 Oktobra 2014

Manoloana ny fisamborana natao an’Atoa Marc Ravalomanana teny amin’ny trano fonenany sady filoha lefitra eo anivon’ny Fiangonana FJKM dia nilaza ireo mpikambana ao amin’ny birao foibe fa manameloka amin’ny endriny rehetra ny zava-niseho sy natao tamin’ny filoha Ravalomanana.

Nilaza izy ireo fa dia malahelo amin’ny zavatra natao tamin’ity filoha mpanampy eo anivon’ny fiangonana FJKM ity. Tsy nisy ny, tsy nisy ny fanajana fa dia natao an-keriny ny trano fonenany  ary tsy mba nampiseho fanoherana akory ny fianakaviany kanefa dia miaramila misaron-tava no tonga teny amin’ny trano fonenany. Manoloana izany rehetra izany dia manahy ireto mpikambana ao amin’ny fiangonana ireto fa sao vao mainka hitondra any amin’ny korontana izao natao tamin’ny filoha Ravalomanana izao. Araka izany dia mangataka ireto mpitondra fivavahana ireto mba hitondra am-bavaka ny toe-draharaha ka hisy ny fotoam-bavaka izay atao ny alarobia ho avy izao amin’ny telo ora tolakandro eny amin’ny fiangonana FJKM  Andrainarivo Fahasoavana. Mialoha an’io anefa dia hisy Fanompoam-pivavahana fanomanana ao amin'ny FJKM Ambatomena anio Talata 14 oktobra  , manomboka amin'ny 3 ora folakandro ,izay  iantsoana ny Kristiana FJKM rehetra satia ao no handraisana ny vaovao momba ny fanompoam-pivavahana lehibe hotanterahana  ny Alarobia eny Andrainarivo Na eo aza anefa izany rehetra izany dia mangataka ny vahoaka ho tony hatrany izy ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT