Finoana

Fiangonana FJKM “Manainga ny mpitondra hampanjaka ny fahamarinana”


  • Zoma 21 Oktobra 2022

Namoaka hafatra ny Mpiandraikitra Foibe FJKM tarihin’ny Filohan’ny Fiangonana Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi izay nivory ny 12- 19 oktobra 2022,

niompana tamin’ny raharaham-piangonana, fa teo ihany koa ny momba ny raharaham-pirenena. Vita ny fampiofanan’ny Mpitandrina mivady, ary tontosa ihany koa ireo fihaonambe samihafa teo amin’ny sahan’ny FJKM, voapetraka ny sabotsy 15 oktobra tao amin’ny FJKM Tranovato Faravohitra ireo Talen’ny Toeram-Panomanana ho Mpitandrina, Talen’ny Arsiva, ary ny Komitin’ny Fanompoam-pivavahana amin’ny teny Anglisy sy ireo solontena ao amin’ny Komity mpitantana iobanana eo anivon’ny FFPM,… Nitondra hafatra ho an’ny Vahoakan’Andriamanitra ny Mpiandraikitra Foibe an’ny FJKM izay nivory tao amin’ny CFD Ampandrana, izay nisy teboka maro: Mitaona ny kristianina amin’ny fiofanana misionera, hivavaka noho ny faha-55 taonan’ny FKM ny 2023, hiomana amin’ny Synodam-pinoana ny mey 2023, mamporisika ny kristianina hampiana-janaka amin’ny sekoly sy oniversite FJKM, manentana amin’ny firosoana amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ny teny Anglisy any anivon’ny Fiangonana sy ny sekoly FJKM,... Momba ny fiainam-piarahamonina sy ny fiainam-pirenena kosa, miantso ny rehetra amin'ny hasarobidin'ny aina ny FJKM, ka nanamarika fa tokony tsinjovina sy arovana, indrindra mahakasika ireo zaza varira. Naneho fa masina ny fanambadiana ka tsy ekena ny fanambadian'ny mitovy fananahana. “Manainga ny mpitondra fanjakana hampanjaka ny fahamarinana sy handray andraikitra manoloana ny fahantrana lalina, ny tsy fandriampahalemana, ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, ny fiparitahan'ny zava-mahadomelina ary ny fandoroana tanindrazana izay mahazo vahana eto amin’ny firenentsika ankehitriny. Miantso ny rehetra hifampihaino mba hisian'ny filaminana sy hampanjaka ny fihavanana, indrindra amin'izao ankatoky ny fifidianana eto amin'ny firenena izao, ary samy mba handray andraikitra mba ho madio sy mangarahara izany fifdianana izany”, hoy ny ampahan’ny fanambarana nosoniavin’ny Filohan’ny FJKM, ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT