Finoana

Fiangonana FJKM Itaosy 500 tapitrisa Ar no ilaina amin’ny asa fanitarana ny fiangonana


  • Alarobia 03 Desambra 2014

Lelavola mitentina 500 tapitrisa Ar no ilaina amin’ny asa fanitarana ny fiangonana FJKM Itaosy

Hetsika maro no nentin’ny fiangonana sy ny mpino ao aminy nanenjehana izany toy ny fanaovana ainga vao izay nandraisana ireo fanomezana avy amin’ny mpino sy ny isan-tsampana, ny voka-dehibe izay notanterahina ny volana jona lasa teo, ny hetsika nataon’ny komity faha-150 taona tamin’ny alalan’ny sakafom-pifaliana, ny raki-pisaorana sy ny fanomezana ara-materialy…Mbola nitohy ny alahady lasa teo izay nanamarihan’izy ireo ny fetin’ny taranaka ny fanangonam-bola. Nambaran’ny mpitandrina  Ravelosoa Andriamamonjy Nomenjanahary Michael nandritra izany fa ny 50 %-n’ny asa no ezahina hovitaina mandrapahatonga ny faran’ny taona. Ezahina mbola hotohizana mandritra ny roa taona ho avy izany, fotoana hahavitan’ny asa. Ny volana Martsa taona 2014 lasa teo moa raha tsiahivina no nananganana ny fototry ny trano fanitarana. Miisa 4.000 ireo mpino ao amin’ny Fjkm Itaosy amin’izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT