Fiangonana FJKM

> “Aoka tsy hamidy ny safidy”


  • Alarobia 23 Oktobra 2013

Namoaka fehin-kevitra maromaro ny fivorian’ny birao mpiandraikitrra foibe eo anivon’ny fiangonana FJKM.

 

Amin’izao vanim-potoana hifidianan’ny Malagasy ny filoha vaovao izao dia manentana ny Kristianina sy ny vahoaka rehetra manerana ny Nosy ny Fjkm mba hametraka ny maha Kristianina sy ny maha olon'Andriamanitra ho ambonin'ny zavatra rehetra ka tsy hivarotra ny safidiny, hiaina amin' ny tahotra an'Andriamanitra ka tsy hanaiky ho fitaovana hiray tsikombakomba amin'ny tsy marina noho ny fiandaniana amin'olona ary hitandro tahaka ny anakandriamaso ny fahamarinana sy ny fihavanana amin'ireo fifidianana ara-dalàna rehetra izay hatao eto Madagasikara. Mankahery ny FFKM amin'ny ezaka fampihavanana ataony mba hanohizany izany hatramin'ny farany koa izy. Farany dia takiany ny fanokafana ny Radio Fahazavana sy ny hamerenana ny fananan'ny FJKM izay nalain'ny fanjakana. Fiombonan’ny mpanaramaso ny fifidianana.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT