Finoana

Fiangonana FJKM “Aza avela hiteraka fanavakavahana ny loko politika”


  • Alatsinainy 21 Janoary 2019

Fotoan-dehibe ho an’ny fiangonana FJKM nentina nitondrana am-bavaka ny taona 2019 omaly 20 janoary. Mpino marobe no namaly ny antso sy nandray ny hafatra sy fampaherezana avy amin’ny filohan’ny FJKM Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi.

 

 

 Nivoitra tao  ny fitoriana amin’ny Kristianina hijoro ho vavolombelon’i Kristy ka endrika roa no isehoany dia amin’ny fahamarinana sy amin’ny fitiavana. Notsiahiviny ny voalazan’ny ohabolana 14:34: “Ny fahamarinana ary ny fahamarinana ihany no manandratra ny firenena”. Any amin’ny toerana misy ny FJKM dia ataovy hita eo ny fahamarinana. Aza atakalo vola na fahefana na voninahitra ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny tompo mpitsara anao, hoy izy. Faharoa dia ny hoe : Vavolombelon’i Kristy amin’ny fitiavana. Manolona ny zava-misy teo amin’ny tontolo politika sy ny fiainam-pirenena tao anatin’ny roa volana, dia nampahatsiahy ny tokony hisaorana amin’ny zava-drehetra izy fa izany no sitrapon’Andriamanitra. “Misaora an’Andrianamanitra amin’ny zavatra nahafaly anao, ary misaora an’Andriamanitra amin’ny zavatra nandiso fanantenana anao”, hoy ny teny fampaherezana. Nampahatsiahy ny toritenin’ny Pasitera mainty hoditra Amerikanina dia ny Pasitera Martin Luther King izy, dia ny hoe: tokony hampitombointsika sy hokolokointsika ny fahaizana mamela heloka. Izay tsy manana hery hoentina mamela heloka dia tsy manana hery hoentina mitia. Mahaiza mamela heloka eo amin'ny samy kristianina. Aza avela hiteraka fanavakavahana eo amintsika ny loko politika. Sarobidy lavitra noho ny loko politika ny batisa ho antsika Kristiana FJKM, hoy ny Filohan’ny FJKM. Nambarany teny Mahamasina omaly, ny tsy maintsy hovitaina ny fanorenana fiangonana FJKM amin'ireo kaominina 407, hoy ny filohan'ny FJKM Irako Andriamahazosoa Ammi, ka ivelomy tsara ny fiombonana, amin’ny fanatrarana ny vina : "vontosy filazantsara ny nosy Madagasikara", hoy ny hafatra lehibe. Nanotrona ny fotoam-bavaka ny filoha teo aloha mirahalahy Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina, izay zanaky ny FJKM.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT