Finoana

Fiangonana FAM sy ny antoko GFFM Manao pi-maso amin’ny Ekar sy ny Kardinaly vaovao


  • Alakamisy 12 Jolay 2018

Miezaka hanome lanja ny firaisankinan’ny kristianina ny FAM na ny Fiangonana Apokalypsy maneran-tany sy ny antoko GFFM miara-dia aminy.

Namaly ny fanasan’ny Ekar azy hanome voninahitra ny lanonana nandraisana an-tanindrazana ny kardinaly Désiré Tsarahazana tamin’ny fandefasany solontena mafonja teny Ivato ry zareo ary mbola nanamafy ny firariany ny hisian’ny fifandraisana bebe kokoa eo amin’ny antokom-pinoana isan-karazany toy izany ny mpitondra teny, Ramamonjisoa Régis, tamin’ny fandraisam-pitenenany. Dia nanao pi-maso ho an’ny Ekar sy ny kardinaly vaovaony izy ireo. Tsy teto an-toerana ny Pr Mailhol mpitarika azy ireo, hoy izy, ka izay no tsy nahitana azy niatrika an’io lanonana io. Tsy vao izao ny fifandraisana teo amin’ny FAM sy ny Ekar fa efa nisy am-bolana maro ny fifaneraseran’ny mpitarika azy tamin’ny mpitondra fivavahana katolika tany amin’ny faritra maro teto amin’ny nosy. Nambarany rahateo fa misokatra amin’ny fiaraha-miasa marolafy izy ireo ho fampivoarana ny lafim-piainan’ny mpino sy ny mpanaraka ny foto-kevitra ijoroan’ny GFFM amin’ny ady amin’ny fahantrana eto amin’ny firenena.

 Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT