Finoana

Fiangonana Fahateraham-baovao ao amin’i Kristy Hanatanteraka fotoam-bavaka miavaka


  • Zoma 08 Aprily 2016

Hanatanteraka fotoam-bavaka lehibe sy miavaka ny Fiangonana Fahateraham-Baovao ao amin’i Kristy izay manana ny foiben-toerany etsy 67 Ha

 

. Rahampitso sabotsy 9 aprily no hanatontosana izany eny amin’ny Tranompokonolona Analakely manomboka amin’ny 9 ora ny maraina raha amin’ny 2 ora folakandro kosa ny hariva. « Ny zavatra rehetra hain’Andriamanitra » : Marka 19:27 no lohahevitra hampitondraina ny hetsika ao anatin’ilay teny filamatra manao hoe :  « Hoporofoin’Andriamanitra amin’ny fiainanao fa hainy atao ny zavatra rehetra ». Sambany no hanatanterahan’ny fiangonana izany entina hanampiana ny olon-drehetra hahafahana manavotra ny fanahiny, ny olana sedrainy amin’ny fiainana andavanandro ary koa hitahiana ny fiainany. Ny pasitera Tojo sy Henriette Ranaivoarimanana mivady moa no hitarika ny fotoana amin’izany, araka ny asa nampandraiketin’Andriamanitra azy ireo. Tsy manavaka finoana izy ireo.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT