Raha tsy dia hita sy tsy re feo tao anatin’ny fotoana naharitraritra dia hampiseho ny heriny indray ny fiangonana apokalipsy tarihin’i Pasitera Mailhol.
Hankalaza ny faha-20 taonany etsy amin’ny Coliseum Antsonjombe ity fiangonana ity anio sabotsy 13 aogositra. Mpiangona an’aliny no ho avy eny an-toerana ary maro ihany koa ireo olona avy amin’ny finoana hafa toy ny mpitondra fivavahana sy olom-panjakana nahazo fanasana no mety ho hita eny an-toerana. Tsy hay na fifanandrifian-javatra fa raha alahatra ilay isa 20 sy ilay daty 13 nosafidiana hanaovana ity fankalazana ity dia manome 2013 izay fotoana nilazan’i Pasitera Mailhol fa handraisany ny fitondrana. Raha fanehoan-kevitr’ity mpitarika fivavahana ity farany moa dia nanamafy izy fa mbola mitombina ny faminaniana nataony ary aorian’ny fialan’Atoa Rajaonarimampianina eo amin’ny fitondrana dia izy no hapetraka ho filoha tsy mila tendrena. Tsikaritra ho manao pi-maso amin’ity mpitondra fivavahana ity sy amin’ny apokalipsy anefa ny fitondrana ankehitriny. Azo ambara ho manana ny toerany eo amin’ny tontolon’ny finoana sy ny politika i pasitera Mailhol sy ny Apokalispy ka fotoana hitarafana ny tanjany ity fotoana anio izay maro no miandry ny ho akony.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.