Finoana

Fiangonana Anglikanina Hanatanteraka ny Synoda ny diosezin’Antananarivo


  • Talata 16 Jolay 2019

Etsy amin’ny Ivontoerana Fiofanana sy Lalao Anglikanina (IFLA) Iavoambony Lazaina no hanatanterahana ny synoda lehibe faha-15 ny diosezin’Antananarivo amin’ny 30 jolay hatramin’ny 04 aogositra.

 

 

 

Isaky ny 5 taona no hatao ity fivoriam-be ity ary hanasana ny solontena rehetra ny fiangonana. Manodidina ny 300 mahery no handrasana hanatrika ity Synoda ity ary efa mipetrapetraka avokoa ny fandaminana rehetra. Ny lohahevitra noraisina amin’ity fivoriam-be ity dia ny hoe “ Fiangonana mitombo sy maneho ny finoany eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina”. Amin’izao fanomanana izao moa dia nanentana ny Kristianina Anglikanina rehetra ireo solontenan’ny Diosezy tetsy Faravohitra hitondra am-bavaka ity Synoda ity ary hanampy ara-pitaovana sy ara-bola arak’izay fahafahana. Hisy ny fanapahan-kevitra horaisina hitarihana ny fiangonana mandritra ny 5 taona indray amin’io fotoana io ary hiompana amin’ny  fampandrosoana sy ny fampiroboroboana ny fitoriana ny filazantsara hatrany izany.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT