Finoana

Fiangonana Advantista Hitsabo maimaimpoana ny mpiray tanindrazana


  • Alakamisy 09 Mey 2019

Ny fikarakarana ny fahasalamana no anisan’ny olana goavana sedrain’ny isan-tokantrano amin’izao noho ny halafosan’ny sarany aloa amin’ny dokotera, eny fa na dia hanao fizahana fotsiny aza.

 

 

 10.000 Ar  isan’olona raha kely ankoatra ny fanafody…Mba hahafahana manampy ny mpiara-belona ary dia hanatanteraka fitsaboana maimaimpoana ho an’ny daholobe ny fiangonana Advantista ny 13 sy ny 14 mey ho avy izao, etsy amin’ny parvis hotel Analakely. Tafiditra ao anatin’ny vinan’ny Fitondram-panjakana  ny mba hananan’ny rehetra fahasalamana tomombana izany ankoatra ny fanohizan’izy ireo ny asan’i  Jesosy Kristy tety an-tany.  Saika horaisina an-tanana eny an-toerana avokoa ny karazana fitsaboana rehetra raha ny fanazavan’ny dokotera Sandra,  talen’ny fahasalamana eto Antananarivo eo anivon’ny fiangonana Advantista.  Ho an’ilay hetsika expo santé ohatra dia hahazo tombony manokana ny vehivavy, indrindra fa ireo maniry ny te-hahafantatra ny sakafo ara-pahasalamana tokony hohaniny mba hananan’izy ireo habe mifanaraka amin’ny halavany. Hisy mihitsy ny “nutritionniste” ho avy eny an-toerana ka tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny sakafo ho an’ny ankizy. Fa tsy latsa-danja amin’ireo ny fitiliana ny tosidra, ny tahan’ny siramamy anatin’ny vatana, ny aretin’ny fo, ny lalan-dra,  ny nify, ny maso, ny fandidiana ny taolana sy ny taova ao anaty, ny fitiliana ny diabeta, ny Vih/Sida ankoatra ireo mararin’ny goty. Maimaim-poana avokoa ny fizahana sy ny fitsaboana hatao amin’izany, arahin’ny toro-hevitra maro samihafa.

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT