Finoana

Fiangonan’i Jesoa Kristy ny olo-masin’ny andro farany Hampahafantatra ny mikasika ny fiangonany


  • Alarobia 26 Aogositra 2015

Hampahafantatra ny mikasika ny fiangonany ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ny olo-masin’ny andro farany na « Mormons » no hahafantaran’ny maro azy.

 

Amin’ny alalan’ny varavarana misokatra no hanatanterahany izany eny Andranomena, ny 29 aogositra ho avy izao, fotoana hitokanan’izy ireo ny fiangonany vaovao eny amin’ity faritra ity ihany koa.   Arahina   varavarana misokatra izany  manomboka amin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora hariva fotoana. Tanjona raha araka ny fanazavan’Andriamihaja Pascal, filohan’ny tsatoka Antananarivo Ivandry ny hahafahana   manatanteraka ny tenin’i Jesoa Kristy ny amin’ny tokony hitoriana ny filazantsara amin’ny olona rehetra  mialoha ny hahatongavan’ny andro farany. Tsiahivina moa fa efa 20 taona no nisian’ity fiangonana iray ity teto amintsika. Mahatratra 3016 ireo mpikambana ao aminy amin’izao fotoana ho an’Antananarivo manokana izay misy tsatoka roa ahitana ny sampana Ankadindramamy, Sabotsy Namehana, ary Ambohimanarina. Efa miparitaka manerana ny Nosy ny fiangonana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT