Finoana

Fianarana baiboly tany Korea Atsimo Malagasy miisa 706 no nandray anjara


  • Alarobia 30 Novambra 2022

Malagasy miisa 706 no nandray anjara tamin’ny famoahana mpianatra 100.000 avy ao amin’ny Ivotoerana Misiona Ziona izay toerana fampianarana Baiboly ao amin’ny Shincheonji Fiangonan’i Jesosy

, hoy ny fampitam-baovao voaray. Natao ny lanonana fahavitan’ny kilasy faha 113n’ny ivotoerana tao amin’ny kianjan’i Daegu, Korea Atsimo, ny 20 novambra. Miisa 106.186 ny olona nahazo diplaoma tamin’io andro io, ka izy io no toeram-pampianarana teolojia lehibe indrindra eran-tany. Tamin’ny fotoana iray, firenena manodidina ny 150 isa no nanatrika izany mivantana tamin’ny aterineto. Tao anatin’izay, 23 ireo firenena teto Afrika nandray anjara ary 6.579 ireo afrikanina nahazo diplaoma. Tafiditra tao amin’izay isa izay ireo malagasy 706 izay miparitaka manerana izao tontolo izao ka isan’ireo nahavita ny fianarana baiboly ary mahafehy izany. Amin’ireo kilasy faha 113 nahazo diplaoma, pasitera miisa 522, 37 any Korea ary 485 any am-pitan- dranomasina, no namita ilay fandaharam-pianarana, satria nitombo be ny isan’ny pasitera raha noharina tamin’ny taona hafa. Noho ny COVID-19 dia nisy ny famoronana kilasy ampitain-davitra mba hitohy ihany ny fifandraisana akaiky. Pasitera Indiana iray, solontenan’ireo nahazo diplaoma avy any ivelany dia mpanao seminera ary nanova ny anaran’ny fanaovany seminera “Hepto” ho “Ivotoerana Misiona Ziona” rehefa avy nanao sonia ny “Protocole d’entente” taorian’ny nandraisany fampianarana baiboly an-tserasera tao amin’ny fiangonan’i Shincheonji tamin’ny volana oktobra tamin’ny taon-dasa. Amin’izao fotoana izao, mpikambana ao amin’ny fiangonana miisa 294 no nahavita ny fianarana iray manontolon’ny Ivotoerana Misiona Ziona ary voarakitra tahaka ny kilasy faha 113 nahazo diplaoma izy ireo. Nandritra izany fotoana izany, Shincheonji Fiangonan’i Jesosy dia nifantoka tamin’ny fandraisana anjara amin’ny famelomana indray ny toekarena tao an-toerana sy ny fiaraha-miaina amin’ny mponina tao an-toerana tamin’ny alàlan’ny fanaovana hetsika mivantana voalohany tao Daegu hatramin’ny nisian’ny valan’aretina COVID-19. Izay hetsika rehetra mety nilaina fandaniana, toy ny fitaterana, trano fonenana ary sakafo ho an’ny olona 100.000 dia natao tao amin’ny faritra mba hanampiana ny mponina tao an-toerana, hoy hatrany ny fanazavana sy fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT