Finoana

Fianakaviana Ravalomanana Nampaherezina teny amin’ny Fjkm Tranovato Faravohitra


  • Alakamisy 04 Aprily 2013

Noho ny fangatahan-dRtoa Lalao Ravalomanana dia nanokana fotoam-bavaka ny Fjkm Tranovato Faravohitra omaly, nanomboka tamin’ny 4 ora tolakandro.

 Fifampaherezana sy fitondrana am-bavaka ny fianakaviana Ravalomanana Marc sy Bebe Razay no votoatin’ny fotoana. Feno hipoka ny fiangonana na dia tsy nisy aza  ny fifampilazana sy fanentanana manokana. Notsongain’ny mpitandrina Ravalinomenjanahary Lala Emmanuel ny tenin’ny Soratra Masina tao amin’ny Daniela 12:3 manao hoe : “Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny fampirapiratry ny Lanitra ary izay manambara ny maro anaty fahamarinana dia tahaka ny kintana mandrakizay”. Ny fampaherezana tsara indrindra, hoy ny mpitandrina, dia ny fitazonana ny fahamarinana. Rehefa manaraka an’Andriamanitra isika hoy izy, dia miomana amin’ny fanesoana kanefa hanana fahefana tsy voasakana, tsy ilay fahefana eritreretin’ny olombelona.

Raha miaina anaty fitiavana tokoa ny olombelona dia hilamina sy hirindra ny fiarahamonina, satria hahay hiara-miaina ho azy ny olombelona, indrindra fa isika Malagasy fatra-pandala ny fihavanana. Ny marina amin’izao tontolo izao dia mety tsy ho marina rahampitso satria efa ao anatin’ny haizina tanteraka ny tany aman-danitra, hoy ihany ny mpitory teny. Raha tonga nampahery ny fianakaviana ny fiangonana, hoy ny mpitandrina dia toa  ny Fiangonana indray no nampaherezin’ny fianakaviana. Mahery  amin’ny fijoroana, amin’ny finoana ary mahery hatramin’ny farany ny fianakaviana Ravalomanana Marc. Hampitaina any  amin’Atoa Marc Ravalomanana ny toriteny teny Faravohitra omaly, araka ny fantatra. Rehefa tapitra ny fotoana ka handeha hivoaka ny Fiangonana i Neny (Rtoa Lalao Ravalomanana) dia tehaka mirefodrefotra no mariky ny fanaovam-beloma sy firarian-tsoa azy. Tsy nifarana izany raha tsy dify ny  fiara nitondra azy.

 

 

RHR

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT