FIALONANA

« Fototry ny fahapotehan’ny fiarahamonina »


  • Alarobia 20 Martsa 2024

Tsy latsaky ny dimy hatreto ireo karazana tranga namoizana ain’olona

na nitondrana raharaha teny anivon’ny tribonaly momba ny fialonana. Vao tamin’ny tapa-bolana ohatra no nisian’ilay Renim-pianakaviana iray izay notorian’ny zanany noho ny resaka fialonana. Manan-trano itsy voalohany ary misy tsena afaka mampidi-bola tsara ka tsy zakan’ilay zanany. Vao volana vitsivitsy ihany koa izay no nisian’ilay vehivavy nahazo vady vazaha ka nialonan’ny namany ary tsy namelany raha tsy namoy ny ainy. Nambaran’ny Pastera Heritiana fa trangam-piaraha-monina tena mahazo vahana izy io ankehitriny ary tena fototry ny fahapotehan’ny fiaraha-monina mihitsy. Ny fahaizana manaiky ihany hoy izy fa misy olona mahay noho ny tena, manam-bola noho ny tena, tsara tarehy noho ny tena, mahatsangan-javatra noho ny tena no vahaolana hahafahana miady amin’izany. Toetra ratsy ny fialonana hoy hatrany Pastera Heritiana izay nolovaintsika olombelona tamin’i Kaina, ity farany izay nahavita namono nahafaty an’i Abela rahalahiny mihitsy. Na izany aza dia nambarany fa azo fehezina tsara io toetra be fialonana io ka anisan’izany ny fangatahana fo madio amin’Andriamanitra sy ny fahaizana manetry tena.
Pati
Legende : Tena manimba sy mamotika fiaraha-monina ny fialonana hoy Pastera Heritiana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT