Finoana

Fiainam-pirenena Namariparitra ny olona tokony hofidiana ny Katolika


  • Zoma 19 Mey 2023

Anisan’ny lohahevitra lehibe manokana tao anatin’ny hafatry ny Fivondronamben’ny Eveka Katolika ny faran’ny

herinandro teo ny filazana fa miantoka ny hoavintsika ny fifidianana. Hiatrika fifidianana isika amin’ity taona ity, ka adidy amin’ny maha olom-pirenena sy amin’ny maha kristianina izany. Nomarihin’izy ireo fa manomboka hatrany amin’ny fanaraha-maso ny fisoratana anarana ao amin’ny lisi-pifidianana ka hatrany amin’ny fandatsaham-bato sy ny fiarahana manara-maso ny voka-pifidianana. Ao anatin’ny “fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra” (pré-campagne) isika izao. Nahitsy izy ireo nilaza fa lasa alohan’ny fotoana ny famoriam-bahoaka etsy sy eroa mbamin’ireo fomba fanao amin’ny fampielezan-kevitra, eny fa hatramin’ny hetsika ara-piarahamonina sy ara-pivavahana avy no atao fitaovana hahazoana ny fon’ny mpifidy amin’ny fifidianana. Atahorana hiteraka ady sy fisarahana ny hetsika ataon’ireo mpanao politika sy ny mpilatsaka hofidiana. Na izany aza, niantso ny rehetra tsy ho alaim-panahy tsy hifidy na sanatria hitaona ny hafa tsy hifidy noho ny toa tsy fahombiazan’ny fifidianana tany aloha ny Fivondronamben’ny Eveka. Nampisaintsaina ny olom-pirenena fa ny feon’ny fieritreretany no tokony hibaiko ny tsirairay fa tsy izay be mpanaraka na izay ahazoana tombontsoa vetivety. Nampahatsiahy fa tsy misy afaka misandoka ho kandidàn’ny Eglizy katolika. Ny miantoka ny fifidianana madio sy mahomby dia ny fanajan’ny olon-drehetra ny lalàna sy ny fitsipika rehetra momba izany. Natao hanome ohatra amin’izany ny mpitondra sy tompon’andraikitra rehetra amin’ny fifidianana; toy izany koa ireo mpilatsaka hofidiana sy ny mpomba azy. Ary tena iankinan-javatra lehibe ny fahaizan’ny vahoaka manaja ny lalàna sy ny fitsipika rehetra momba ny fifidianana, hoy hatrany ny hafatra.
NANAMIPARITRA NY OLONA TOKONY HOFIDIANA
Olo-marina sy hendry ary tia tanindrazana no ilain’i Madagasikara, izany hoe olona mpanara-dalàna sy sarotiny amin’ny lalàna, tsy mizaha tavan’olona. Tsy maintsy ho olona manana ny maha izy azy ihany koa, fa tsy voafatotry ny politikan’ny antokony na ny tombontsoan’ny fianakaviany na ny faritra niaviany. Ary ny tena ilaina amin’ity fifidianana ity dia olona mahay mihaino ka vonona sy manana vinavina mazava hanarina izao fahantrana lalina mahazo ny vahoaka malagasy izao; tsy hanilika andraikitra amin’ireo mpitondra teo alohany fotsiny. Olona misokatra amin’ny hafa koa no ilaina, ary afaka mampisokatra ny firenena amin’ny hafa satria tsy miteraka afa-tsy fizarazarana ny fitiavan-tanindrazana manilika ny hafa, araka ny fampahatsiahivan’i Papa François, hoy ny Fivondronamben’ny Eveka.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT