Fiainam-pirenena

«Mitombo ny maro an’isa milentika anaty fahantrana »


  • Alakamisy 16 Mey 2024

Niendrika safosafo miaro felaka ihany no nitondran’ny Fivondronamben’ny Eveka ilay fomba fijeriny

ny fiainam-pirenena, ka nilazan’izy ireo fa hita ny fitohizan’ireo fananganana fotodrafitrasa amin’ny faritra maro; ny firaisan-kina sy ny fifampitsimbinan’ny samy Malagasy nandritra ireo loza voajanahary namely; ny fitondram-panjakana nanao izay ho afany amin’ny fanampiana sy ny fanarenana. Mampalahelo koa anefa, hoy ny Fivondronamben’ny Eveka ny fanararaotana nisy tao anatin’ireny fotoana ireny sy ny fitantanana sadasada ny fanampiana ireo tra-boina. Milaza miara-mahita izahay raha mbola mamerina indray fa mitombo ireo olona vitsy an’isa miondana vola sy harena tsy fanta-piaviana; mitombo toy izany koa ireo maro an’isa milentika hatrany ao anatin’ny fahantrana lalina, hoy izy ireo. Tsy nisorona ny Fivondronamben’ny Eveka nilaza fa mirimorimo tokoa ny fidangan’ny vidim-piainana; mbola maro ireo faritra anjakan’ny tsy fandriampahalemana; mihapotika hatrany ary tsy misy fanamboarana ireo lalam-pirenena maro. Mitohy ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, na ny fitrandrahana izany na ny fanondranana. Tsy misy ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fifampihainoana. Baranahiny ny famokarana sy fivarotana ary fidorohana zava-mahadomelina. Ara-tsosialy, arakaraka ireo fitarainana ataon’ny vahoaka sy ny fampanantenana ataon’ny mpitondra no vao mainka mampihitsoka ny olan’ny Jirama. Nohamafisina hatrany àry fa ny kolikoly no anisan’ny antony voalohany mampahantra an’i Madagasikara, izay lasa aretina miha mahazo vahana hatrany. Saika ny seha-piainana rehetra mihitsy no tafiditry ny kolikoly sy gejainy mafy, eny fa na dia ao amin’ny Eglizy aza. Najoro daholo ireo rafitra miady amin’ny kolikoly; asa anefa na natao ho an’iza izany? Hoy ny Fivondronamben’ny Eveka. Takona tanteraka ny lalàna, lasa rafi-piarahamonina ifampitondrana eto aza ny kolikoly. Ireo te hitsipaka sy hanohitra izany dia iharan’ny tsindry, ny fampitahorana, ny fisamborana, ny famoronana antony hanenjehana azy … atahorana ho tonga hatramin’ny fifofoana ny ainy mihitsy aza. Mampiraviravy tanana ny tsara sitrapo izany, mahazo vahana ny tsy fanarahan-dalàna, nefa dradradraina ny hoe tany tan-dalàna, hoy hatrany ny Fivondronamben’ny Eveka. Rafitra heverina fa tsy mitanila amin’ny fomba fijeriny ny fiainam-pirenena sy ny fiainam-bahoaka ny fiainganana ; Hanaiky ve ny mpitondra fa tsy mahomby ary betsaka ny zavatra mila hahitsy sa hosokajiana ho manohintohina ny fiandrianam-pirenena ihany koa ny Fivondronamben’ny Eveka?
Toky R

 

 

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT