Finoana

FFPM Lala Rasendrahasina indray no Filoha


  • Alarobia 09 Janoary 2013

Niavaka ny fotoam-pivavahana fanao isaky ny alatsinainy voalohan’ny volana ho an’ny Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta Malagasy na ny FFPM, tetsy Vohipiraisana.

 Ankoatry ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao dia teo ihany koa ny famindrana ny fanevan’ny fitantanana ny FFPM. Ny mpitandrina Rasendrahasina Lala Haja, filohan’ny FJKM no mitantana ny FFPM indray izao, mandimby ny pastora Rakoto Endor, prezidan’ny FLM. Marihina moa fa ifandimbiasana na ilay atao hoe : “Présidence tournante” no hitondrana ny FFPM. Ny filohan’ny FJKM no nitondra ny hafatry ny Tompo, araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny Fanambarana, Apokalipsy 21:5a manao, hoe : «Ary hoy Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana : indro, havaoziko ny zavatra rehetra…». Teny tsy maintsy tanteraka ny Tenin’ilay mipetraka eo ambony seza fiandrianana. Teny mamaly ny hetahetan’ny mpino amin’ny sarotra lalovana.

Maneho ny maha Andriamanitra tompon’ny hery rehetra, tompon’ny teny farany eto amin’izao tontolo izao sy ny zanak’olombelona. Teny maneho tsara, maneho an’Andriamanitra hanao zava-baovao hatrany amin’ny olombelona. Efa vita tao amin’i Jesoa Kristy izany asa fanavaozana izany, izay lafiny tsara eo amin’ny finoana kristianina. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa taon-jobily ity 2013 ho an’ny FFPM satria homarihina mandritra izany ny faha-100 taona niorenan’ny inter-missionaire tamin’ny 1913.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT