Finoana

FFKM Vonona hanohy ny fampihavanana


  • Talata 17 Mey 2016

Mbola vonona sy hiezaka ny FFKM hanao ny fampihavanam-pirenena mifototra amin’ny "F" efatra efa natombony dia ny fiaiken-keloka, fibebahana, fahamarinana, fihavanana, araka ny Hafatra Pentekotin’ny Fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara (FFKM), niarahan’ireo filoham-piangonana efa-dahy nanao sonia, Mrg Razanakolona Odon Marie Arsène (EKAR), Mpitandrina Rasendrahasina Lala Haja (FJKM), Mgr Ranarivelo Samoela Jaona (EEM), pastora Dr Rakoto Endor Modeste (FLM) nivoaka ny 13 mey teo.

Ilaina ny fampihavanana, hoy ny fanazavana hanafoanana ireo fahotana sy tsy fahamarinana ary mba hiainana ny fiasan’ny Fanahy Masina. Mahatsapa mantsy ny FFKM fa « anjakan’ny tsaho sy ny lainga ary ny honohono ny fiainan’ny Malagasy, ka tsy fantatra intsony izay milaza ny marina sy ny diso. Tsy vitsy ny manararaotra izany ka miezaka mangoron-karena amin’ny tsy marina, ka mampiasa ny fomba rehetra hampanginana ny fahamarinana ».

Nanamafy ny fanambarana nataon’ny Fivondronamben’ny Eveka iray volana lasa ihany koa FFKM namaky bantsilana ny endrika faharatsiana izay mibaribary eto amin’ny firenena, ary henika azy ny seha-piainana maro. Samy mandroritra izay heveriny fa mety avokoa ny rehetra, ka mikorontana ny fiarahamonina ary tsy mitombin-tsaina ny vahoaka.

Fitokonana, fitakiana, tsy fanajan-dalàna, fibodoana tany, fandrobana ny harem-pirenena, tsy fanajana ny aina amin’ny endriny maro, kolikoly sy fampanjakana ny resa-bola... no iainan’ny Malagasy ankehitriny. Iharan’ny herisetra koa ny fiangonana toy ny fandrobana ny lakolosim-piangonana.

Mila toherina sy lavina ny endri-pahotana rehetra eo amin’ny fiarahamonina, hoy hatrany Hafatry ny FFKM. Tsy ho fifanamelohana na fihantsiana no hanaovana izany, fa fifanatonana sy ny fifanajana hisian’ny fanovana ny fiainam-bahoaka. Mba ho sahy mijoro sy hanambara ny fahamarinana isika, handa ny lainga sy ny fitaka eo amin’ny fitantanana ny firenena sy ny fifandraisan’ny samy Malagasy.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT