Finoana

FFKM Ny Filohan’ny FJKM no hitarika azy


  • Zoma 18 Janoary 2019

Fotoan-dehibe ho an’ny fiangonana sy mpino FJKM ny alahady 20 janoary 2019 ho avy izao, hisian’ny fihaonana sy fotoam-pivavahana goavana eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Hitondrana am-bavaka ny taona 2019 izy io.

 

 

 Manomboka amin’io fotoana io ihany koa dia ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi filohan’ny FJKM no handray ny fitarihana ny FFKM amin’ity 2019 ity satria amin’io alahady 20 janoary io ny fifamindram-pahefana eo aminy sy Mgr  Ranarivelo Samoela Jaona (EEM). Vao miresaka FFKM sy ireo Raiamandreny am-panahy, dia ny andraikitra goavana tazoninin’izy ireo amin’ny maha elanelam-panahy sy arofanina azy amin’ny famahana sy fisorohana ny krizy politika eto amin’ny firenena no ao an-tsaina, ankoatra ny maha mpiandry ondry azy eo anivon’ny fiangonana. Tsy afa-misaraka amin’ny raharaham-pirenena ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara) raha dinihina amin’izay adidy iantsorohany izay, ankoatra fitoriana ny filazantsara. Ho an’ny filohan’ny FJKM Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi aza, dia hafatra lehibe nataony ho an’ny mpino FJKM izay sady olom-pirenena ihany koa tamin’ny herintaona tahaka izao dia ny 20 janoary teny Mahamasina dia ny hoe: “aza menatra ny manao politika”. Toa mifanipaka amin’izany kosa ny lalana hizoran’ny fanjakana Rajoelina amin’izao fotoana izao ka asa izay ho endri-pifandraisan’ny fiangonana sy ny fanjakana. 10 taona lasa izay ny raharaha 2009, ka anisan’ny nanamarika izany ny raharaha Episcopat Antanimena nandraisana tamin’ny vozon’Ankanjony ny filohan’ny FJKM, dia ny Mpitandrina Lala Rasendrahasina ny 17 martsa 2009. Nandrombaka fitondrana ry Andry Rajoelina tamin’izany, ka tsy hay na fifanandrifian-javatra ihany fa nahazo fitondrana indray izy io ka io ny karazana fanaovana an-tsisin-tosy ny resa-pivavahana sy finoana, izay toa mialokaloka amin’ny resaka fampiharana ny lalàmpanorenana izay efa maro no tsy nohajaina hatramin’izay.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT