Eo anatrehan`ny zava-misy eto amin`ny firenena dia miditra lalindalina kokoa amin`ny fitadiavam-bahaolana miorina amin`ny fampihavanana ireo filoham-piangonana eo anivon`ny FFKM.
Mivoatra tokoa ny toe-draharaham-pirenena taorian`ny namoahan`ny HCC ny fanapahan-kevitra momba ireo lalàm-pifidianana izay fototry ny olana teto Madagasikara. Tsy mbola fantatra mazava tsara ny lalan-kizorana noho ny fizirizirian`ireo depiote ho an`ny fanovana amin`ny fanesorana ny filoham-pirenena. Nihaona manokana tsirairay tamin`ny filohan`ny Antenimieram-pirenena Jean Max Rakotomamonjy sy ny filohan`ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao ireo filoham-piangonana izay nahitana ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona (EEM), ny Mgr Odon Arsene Razanakolona (EKAR), ny Pastora David Rakotonirina (FLM) ary ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi (FJKM). Raha ny fitsidihana teny Tsimbazaza manokana dia tsy nisy nipika firy izay mety ho tena vontoatin-dresaka teo amin`ny roa tonta. “Ao anatin`ny ezaka ho amin`ny dingan`ny fampihavanana sy fitadiavana vahaolana ho an`ny firenena sy amin`ireo mpifanandrina ny roa tonta”, hoy hatrany ny filohan`ny FFKM, Mgr Ranarivelo Samoela Jaona. Nohamafisiny fa tsy maintsy nanao izao fihaonana izao izy ireo amin`ireo filohan`ny Andrimpanjakana sy amin`ireo mpifanandrina roa tonta. Manao antso avo amin`ny zanaky ny firenena, indrindra ireo mpisehatra amin`ny politika mba hahatsapa tena sy finiavana amin`ny fifampiresahana fa tsy misy manana tombontsoa amin`ny fikorontanan`ny firenena, hoy hatrany ny fanazavana. Mahakasika ny fizirizirian`ireo depiote 73 tsy te hifampidinika dia nambaran`ity filohan`ny FFKM ity fa tsy azo atao ny miziriziry amin`ny hevitra tokana ary ny fampidinihana ihany no hahitana vahaolana. Ny filohan`ny Antenimieram-pirenena kosa dia nanambara fa ny fandraisana andraikitra no mampahatsiaro fa manana adidy manoloana ny olona misy eto amin`ny firenena ireo raiamandreny ao amin`ny FFKM, indrindra amin`izao an-katoky ny fanatanterahana ny fifidianana izay hamerenana amin`ny vahoaka ny fahefana izao. Andrasana, araka izany, izay ho fivoaran`ny toe-draharaham-pirenena.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.