Finoana

FFKM “Mila miaiky ny rehetra fa diso”


  • Alatsinainy 27 Jona 2011

«Mila mifamela ny Malagasy. Mila manaiky anefa ny rehetra fa samy nanao hadisoana nanoloana an’Andriamanitra sy ireo mpiara-belona vao azo tanterahina izany fifamelan-kaloka izany».

 Santionany tamin’ny hafatr’ireo raimandreny eo anivon’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara izany tamin’ny fotoam-bavaka lehiba natao tetsy amin’ny FLM Ambatovinaky ny sabotsy 25 jona teo. Nohamafisin’ny FFKM tamin’ny alalan’ny filohany, ny pastera Rasendrahasina Lala Haja, fa tsy misy afa tsy ny fifamelana sy ny fifampiresahana no hamahana ny olana eto amintsika.

Ankoatra izay dia nambaran’ny filohan’ny FFKM, fa tsy manda ny handray andraikitra amin’ny famahana ny olana eto amintsika ny FFKM saingy manana ny fotoanany Andriamanitra. Nahitana ireo ankolafy politika isan-tsokajiny ary notarihin’ireo filoham-piangonana efatra eo anivon’ny FFKM ity fotoam-bavaka ity. Tafiditra indrindra tamin’ny fanamarihana ny tsingerin-taona nahazoantsika ny fahaleovantena moa izany fotoam-pivavahana lehibe izany. Marihina fa tato anatin’ny iray volana izao dia in-droa no nanao fotoam-bavaka ho an’ny firenena toy izao ny FFKM dia ny niarahana tamin’ny FFKM rantsana eto an-drenivohitra sy ity nokarakarain’ny foibe ity.

 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT