Finoana

FFKM Miantso fibebahana, fifamelana ary fampihavanana


  • Alarobia 08 Jona 2011


 Miha potika ny fiarahamonina sy ny toekarena, mahazo toerana ny fifandrafiana sy ny fisaratsarahana, manjaka ny tsy fahamarinana amin’ny endriny samihafa, mitombo ny herisetra sy ny tsy fandriampahalemana, tsy misy hasina intsony ny ain’olombelona, miantraika eo amin’ny fiainan’ny isan-tokantrano sy ny vahoaka malagasy izany rehetra izany. Mizotra mankany amin’ny fahapotehana ny firenena, tsy hajain’ny maro intsony na dia ny didy folon’Andriamanitra aza ary toa ataon’ny mpanao politika sasany kilalao sy itadiavana tombontsoa ny fiainam-pirenena ka ny vahoaka malagasy no mahita faisana”. Santionany amin’ny fahitan’ireo raiamandreny eo anivon’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara na ny FFKM ny fiainam-pirenena ireo. Manoloana izany indrindra àry dia miantso ny rehetra ho amin’ny fibebahana ny FFKM indrindra amin’izao Pentekosta izao. “Aoka ny tsirairay handini-tena ka hijery izay tsy mety nataony sy mbola ataony eo amin’ny fiainany sy ny fifandraisany amin’ny mpiara-belona eo anatrehan’Andriamanitra ary hamantatra ny helony sy hiala amin’ny fahadisoany”, hoy ny FFKM.

Mahatsara ny fifandraisan’ny mpiara-belona izany sady dingana mitondra ho amin’ny fifamelan-keloka. Ankoatra izay dia manentana ny Fiangonana tsirairay ihany koa ny FFKM handini-tena sy hibebaka, hiseho ho ohatra sy hitaiza ny zanany, ho sahy hanitsy sy hiteny ary hitarika azy ireo hatrany ho any amin’ny fiainam-pibebahana. Araka ny fanazavana dia izany no lalana hitan’izy ireo fa hitondra antsika hiaina ny fifamelan-keloka fototry ny fampihavanana. Heverin’ireto raiamandreny am-panahy ihany koa fa manamora ny fifamelan-keloka amin’ny samy olona ny fiaikena heloka amin’Andriamanitra. Vokany, mila mahatsiaro ho tompon’andraikitra manoloana ny zava-miseho ny tsirairay.

Miantso fifamelan-keloka eo amin’ny ankohonana, eo amin’ny fiangonana, sy ny fiarahamonina ary ny Firenena ny FFKM. Manentana sy manainga ny fiangonana hitaiza ny olona rehetra ho amin’ny fahamarinana, ho fanandratana ny fanahy maha olona hiverenan’ny fiadanana indray ny FFKM. Mitaona ny rehetra ihany koa hihavao saina sy fo tanteraka hahaizana mamantatra ny sitrapon’Andriamanitra eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina. Araka ny hafatr’ireto raimandreny àry dia “meteza hovan’Andriamanitra isika”. Izany teny izany rahateo no nofidin’ny FFKM ho teny fanevan’ny Komity Foibe faha-34 sy ny Zaikabe faha-7 hatao any Ambositra ny 21 ka hatramin’ny 25 Novambra 2011 ho avy izao. Ho Pentekosta mitondra ny rivotry ny fihavaozana ho amin’ny fiadanana ary mandrava ny efitry ny fisaratsarahana anie ity Pentekosta 2011 ity, araka ny hafatr’ireo mpitondra fiangonana eo anivon’ny FFKM.

Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT