Finoana

FFKM Miantso fibebaham-pirenena


  • Alatsinainy 30 Martsa 2020

Omaly alahady 29 martsa dia nisy fanompoam-pivavahana notarihin'ny fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara na ny FFKM tao amin` ny fiangonana EEM Ambohimanoro.

 

 

 

Hafatra mafonja nampitain'ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi, Filohan'ny FJKM toriteny nalaina avy amin’ny Jaona 11: 15-45 ,izay mitantara ny nananganan'i Jesosy an'i Lazarosy tamin'ny maty. Manoloana izao areti-mandoza izao dia misy ny fanantenana, ao amin'i Jesosy Kristy ny fanantenana ary ny fibebahana sy ny finoana marina no takiana amintsika. Antony, tsy ny aretina na ny fahafatesana no tompon'ny teny farany. Fa inona kosa no takiana amintsika? Dia ny fibebahana , toy izay ao amin` ny salamo 130 ka amin` ny alalan'ny vavaka fitalahoana famelan-keloka sy famindram-po. Manaraka izany, amin` ny alalan'ny fanapahan-kevitra hiala amin` ny ratsy fanao. Nanantitrantitra ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi fa mitaky fibebaham-pirenena mihitsy ny zava-misy amin` izao fotoana.. Ny FFKM dia manamafy hatrany fa mila mitodika amin` Andriamanitra amin` izao fotoan-tsarotra izao ny Malagasy.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT