Finoana

FFKM Meteza hampihavanina amin’Andriamanitra ianareo


  • Zoma 12 Aprily 2013

Nanamafy ny FFKM omaly fa hanomboka amin’ny alakamisy 18 aprily izao ny dingana voalohany amin’ny fampihavanana. Ireo vondrona 180 nihaona taminy tamin’ny jolay sy aogositra 2012 no mpandray anjara amin’ity dinika savaranonando ity.

 Mandini-tena, miaiky heloka

Araka ny fanambarana nataon’ireo filoham-piangonana 4 mirahalahy  dia  miantso “ mba haneken’ireo mpiantsehatra amin’ny raharaham-pirenena hampihavanina amin’ny Andriamanitra” araka izay voasoratra ao amin’ny 2 Korintiana 5:20 Baiboly Diem izy ireo.  Nambarany ao anatin’ilay fanambarana koa ny lahadinika mandritra ilay fivoriana izay azo zaraina 2. Voalohany dia ny fampirisihana ireo mpiantsetra amin’ny fiainam-pirenena handini-tena miainga amin’ny fehinkevitry ny FFKM dia  ny fiaiken-keloka, ny fahamarinana ary ny fihavanana . Famolavolana vahaolana fivoahana amin’ny krizy   sy famaritana foto-kevi-dehibe miaraka amin’ny fenitra enti-misoroka ny fiverimberenan’ny krizy kosa no antom-pivoriana faharoa. Nomarihan’ny FFKM fa  mandritra io fivoriana io koa no ametrahana ny fifampifehezana sy fanadihadiana ny lohahevitra dinihana amin’ilay dinika fampihavanana. Manainga ny vahoaka Malagasy koa ny FFKM mba hitrotro am-bavaka izao ezaka izao.

Tsy manana tetibola

Niantso mpanohana ara-bola koa anefa ny FFKM amin’ity hetsika goavana ataony ity satria tsy misy ny tetibola momba izany fampihavanana izany ao amin’ny Fiangonanana efa-tonta. Manampy izay dia goavana sy midadasika ny fampihavanam-pirenena ka tena mila vola sy fitaovana. Niteraka adihevita avy hatrany omaly hariva io resaka io satria mipetraka ny fanontaniana hoe : iza no hamatsy vola ny FFKM ? Ny fitondrana tetezamita ve sa ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny SADC sa olon-tsotra ambara fa tsara sitrapo sa iza ? Ny mampanahy ny olona sasany dia sao lahy ka hisy fiantraikany amin’ny raharaha fampihavanana atao, ny fiavian’ny vola ampiasaina, ka izay vao hosoketaina indray fa manao politika na miandany amin’ny ankolafy izatsy na izaroa ny FFKM. Inoana anefa fa olon-kendry, mahalala tsara ny tokony sy ny tsy maintsy ataony izy efatra mirahalahy, filoham-piangonana ka ho tody soa amin’ny tanjona niriana, araka ny sitrapon’Andriamanitra  tokoa ny fampihavanana hotanterahana

 Yves sy RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • LĂ©on XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT