Finoana

FFKM Mbola vonona hanohy ny fampihavanam-pirenena


  • Talata 01 Desambra 2015

Tsy henoheno intsony ny tohin’ny fampihavanam-pirenena notarihan’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara taorian’ny fehin-kevitra nivoaka tamin’ny volana mey 2015

 

. Niteraka fifandisoan-kevitra teo amin’ireo andrim-panjakana mijoro ara-dalàna mantsy ny hevi-dehibe notinapak’ireo mpizaika avy amin’ireo faritra samihafa eto Madagasikara. Efa miroso amin’ny fananganan-drafitra vaovao hisahana ny fampihavanana ny samy Malagasy ihany koa ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao. Vonona hanohy ny asa efa natomboka ary mitady ny fomba rehetra hanohizana izany ireo lehibem-piangonana efatra mirahalahy eo anivon’ny FFKM, araka ny tsipiteny fohy nataon’ny filohany ny mpitandrina Rasendrahasina Lala nandritra ny zaikabe faha-8-n’ny FFKM niaraka tamin’ny fivorian’ny komity foibe faha-38 notanterahana tany Nosy Be tamin’ny herinandro lasa teo. Tapitra amin’ity volana desambra ity moa ny fe-potoana 12 volana nitondran’ny filohan’ny Fjkm am-perinasa ka handray ny fitantanana ny FFKM manomboka amin’ny volana janoary 2016 indray ny filohan’ny Flm pasitora Rakoto Andore Modeste. Any Toamasina kosa no hotontosaina ny fivorian’ny komity foibe andiany faha-39. 

 


 

Nangonin-dRamano F. 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT