Finoana

FFKM “Mbola misavorovoro ny firenena”


  • Alarobia 29 Oktobra 2014

Manoloana ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena dia naneho ny heviny ireo filoham-piangonana mivondrona ao amin’ny FFKM omaly teny Andohalo. Tazana teny an-toerana ny Mgr Ranarivelo Samoela (EEM) filoha am-perinasan’ny FFKM sy ny Mgr Ondor Modeste (FLM), tsy nanatrika ny fihaonana kosa noho ny adidy hafa tsy maintsy nalehan’izy ireo ny Mpitandrina Lala Rasendrahasina (FJKM) sy ny Mgr Odon Marie Arsčne Razanakolona(EKAR).

Tsy azo hihodivirana intsony ny fampihavanana, hoy izy ireo ary miantso ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka mba ho tony mandrakariva eo anatrehan’ny zava-misy hiainan’ny firenena. Aoka tsy ho tratry ny fandrangitana isika Malagasy. Iaraha-mahita mantsy fa tena mbola miaina ao anaty savorovoro ara-politika sy tsy fitoniana ny firenena, hoy izy ireo. Araka izany dia fotoana izao hirosoana amin’ny fampihavanana satria io ihany no lalana mitondra ny firenena amin’ny filaminana. Ny fiangonana dia vonona hanohy ny ezaka efa natombony ary ny fihavanana araka ny sitrapon’Andriamanitra no tokony hisy eto Madagasikara dia ny fieken-keloka sy ny fibebahana, ny fahamarinana ary ny fihavanana satria ireo no antoky ny fandriampahalemana sy ny fampandrosoana. Efa nanomboka ny fampihaonana ireo filoham-pirenena nifandimby teto ny FFKM, saingy tsy tanteraka hatramin’ny farany izany satria nosakanana izahay, hoy ny Mgr  Ranarivelo Samoela. Tsy dia narisika firy tamin’ny resaka fampihavanana nokasain’ny FFKM notanterahana ihany koa ny sehatra iraisam-pirenena mialoha ny fifidianana natao teto tamin’ny 2013 ka izay no anisan’ny mety antony nampihemotra foana izany hetsika izany. Nanamarika mazava anefa ny Mgr Ranarivelo Samoela fa tena mila fahavononana avy amin’ny tsirairay ny fampihavanana fa tsy ny FFKM velively no hanery ny olona tsy te hihavana mba hihavana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • LĂ©on XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT