Finoana

FFKM Mampihavana fa tsy haka fanjakana


  • Talata 24 Martsa 2015

Ny 28 -30 aprily ka hitohy ny 1-2 mey izao ny dinika nasionaly tarihin’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina na ny Ffkm mikasika ny fampihavanam-pirenena. Mikasika an’Atoa Andry Nirina Rajoelina sy ny Profesora Zafy Albert dia nanambara ny filohan’ny Ffkm am-perinasa Lala Rasendrahasina omaly nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety fa mbola manantena ny fiverenan’izy ireo an-databatra boribory. Raharaha iankinan’ny ain’ny firenena sy ny fiainam-bahoaka mantsy no horesahina ka manentana ny voakasika ny mpitarika ny Ffkm mba samy handini-tena.

 

 Nambarany kosa anefa fa ny fanentanana sy ny fampirisihana amin’ny dinika no anjaran’ny Ffkm fa tsy misy azo atao  an-terivozina hanao izany. Tsy maintsy hatao anefa ny dinika fanomanana ny fampihavanam-pirenena, noho ny tombotsoan’ny besinimaro. Nanambara ihany koa  ity filoham-piangonana ity fa ny mandrindra ny fampihavanana  no anjaran’ny Ffkm  fa tsy ny hitondra fanjakana velively. Tsy  nanana eritreritra ny handray anjara amin’ny fitondrana fanjakana ny Ffkm ary tsy hanao izany mihitsy, hoy ny fanambarana.  Raha ny mikasika ny fikasan’ireo mpandray anjara tamin’ny dinika  santatra tany amin’ny faritra  indray dia hevitry ny mpandray anjara no maniry ny hikitika ny lalàmpanorenana fa tsy an’ny Ffkm,  hoy ihany ny mpitandrina Lala Rasendrahasina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT