Finoana

FFKM Maika ny famonjena ny sosialim-bahoaka


  • Talata 14 Aprily 2020

Mampahery antsika rehetra noho ny ahafahantsika fiangonana miombona ato amin’ny FFKM miaraka mankalaza ny paska na eo aza izao toe-javatra manokana iainana izao, hoy ny FFKM,

 

 

 

 

 hoy ny hafatra paska nentin’ny FFKM. Nitondra fampaherezana ny FFKM mba ho tanteraka amin’ny rehetra ny fifalian’ny paska, Jesoa maty sy nitsangana ho velona, nitondra ny aretintsika sy mizara fiainana ho antsika isan’andro. Tsy voafatotry ny rindrin’efatra ihany koa ny maha fiangonana, hoy ny hafatra. Nofintinana sy nampitaina ny hafatry ny COE na ny Fiombonan’ny fiangonana maneran-tany. “Mandresy ny tahotra, manome fanantenana, manafaka Jesoa ilay nitsangana tamin’ny maty. Miatrika ny covid-19 izao tontolo izao. Marobe ny fiangonana mihitsy ary tsy afaka mankalaza ny Paska amin’ny mahazatra antsika… Betsaka ny zavatra manahirana antsika fa mihoatra noho ireny ny fifaliantsika sy ny fanantenan’ny Paska ifampizarantsika”, hoy ny ampahany tamin’ny hafatra izay mitory fampaherezana. Nisaotra ny fanjakana ihany koa ny FFKM mitondra fanazavana isan’andro mikasika ny zavatra tokony ho fantatry ny vahoaka. Niantso ny herivelona rehetra mba hiezaka hifampizara sy hifanohana ary hitandro ny firaisankiana. Nanao antso avo tamin’ny mpiasan’ny haino aman-jery na mpomba ny mpanohitra ny fitondrana mba hiezaka hiara-hiasa. Manana zo hahafantatra ny vaovao marina miseho ny rehetra, hoy ny FFKM. Nilaza ny FFKM fa mahita ny olana mianjady amin’ny olona ka mifampidinika amin’ny fitondrana ny hanatsarana ny fandaminana hamonjena maika ny sosialim-bahoaka.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT