Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) no handimby toerana ny Eklesia Episkopaly Malagasy (EEM) na Anglikana amin’ny fitantanana ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara (FFKM) mandritra ny taom-piasana 2011.
Tao anatin’izay 30 taona nijoroany izay dia ireo fiangonana efatra tranainy no mikambana ao amin’ny FFKM. Mifandimby mitondra ny fiangonana mikambana ao. Herintaona ny taom-piasana, ka ny filohan’ny fiangonana no lasa filohan’ny FFKM. Anjaran’ny EEM tamin’ity 2010 raha an’ny EKAR ny taona 2009, dia izao izy horaisin’ny FJKM izao indray. Ny Mpitandrina Rasendrahasina Lala Haja indray izany no handimby toerana ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona, filoha am-perinasa. Ny fanamafisana ny firaisam-pinoana no anisan’ny antom-pijoroan’ny FFKM. Na izany aza niditra an-tsehatra ary nanana anjara toerana tamin’ny famahana ny krizy politika teto Madagasikara ny FFKM, toy ny tamin’ny 1991, ny 2001, ary ny 2009.
Tamin’ity farany ity anefa dia saika nampivaky ary teo ambavahaonan’ny faharavana ny FFKM, noho ny fifampiandaniana tao anatiny. Nampivandravandra izany ny zava-nitranga teny amin’ny Episcopat Antanimena ny talata 17 martsa 2009, ary nisy fiantraikany hatrany amin’ny mpino, ka zary nivavaka nihambahamba ny sasany. Ny hamerina indray izay fiverenana amin’Andriamanitra, fifankatiavana, firaisankina, fifamelana ary koa ny fifandeferana izany no anisan’ny nimasoan’ny filoha am-perinasa, Mgr Ranarivelo Samoela Jaona. Mazava fa tsy ho vita indray andro na koa herintaona izany, fa asa maharitra. Nisy ny tombana natao nandritra ny fivorian’ny Komity foiben'ny FFKM notanterahina tany Toliara nanomboka ny 22 novambra teo, sady nanakatonana ny fankalazana ny faha-30 nijoroany. Nandritra izany koa no nahafantarana fa dia ny filohan’ny FJKM, Rasendrahasina Lala Haja, Mpitandrina, indray no handray an-tanana ny FFKM manomboka amin’ny janoary 2011 iny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.