Finoana

FFKM, HMF, ... Fahanginana hafahafa


  • Alarobia 24 Novambra 2010

Na ny eto an-toerana na ny sehatra iraisam-pirenena dia samy miaiky ny habibiana ataon’ny hery famoretana ampiasain’ny mpitondra mahefa ankehitriny.

Niteny sady namaky bantsilana izany ny sehatra iraisam-pirenena nandritra ny Examen Periodique Universel na EPU natao tany Soisa ny volana aogositra 2010, nanadinana an’i Madagasikara ny fanajana ny lalàna indrindra mahakasika ny zon’olombelona. Nitaky ny hanafoanana ny FIS (Force d’Intervention Spéciale) ny Ambasadaoro frantsay miasa sy monina eto Madagasikara, Jean-Marc Châtaigner, nandritra ny fankalazana ny 14 jolay teny Ivandry. Sesilany ny fanakatonana radio, manginy fotsiny ny fanakantsakanana ny olona te haneho hevitra ankalalahana, ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso sy ny fisamborana etsy sy eroa. Mihororoho  ny vahoaka amin’ny tsy fandriampahalemana, indrindra ny baomba lava mila ho isan’andro … Manoloana izany rehetra izany anefa dia mangina ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara), tsy re feo ny HMF (Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana), gina ny Vondrona Kristianina Mandray andraikitra, fahanginana hafahafa ihany. Ny fomba fitenenana Malagasy dia milaza mazava fa manaiky matoa tsy miteny. Koa asa, fa raha ny fahafantarana ny iraka amin’ny maha mpanompon’Andriamanitra azy ireny aloha dia sarotra ny hino fa hahavita hijery imaso ny herisetra mianjady amin’ny madinika na koa hangina ka tsy hiloa-bava manoloana ny fanosihosena ny zon’olombelona, indrindra ireo marefo. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT