Manana vinavinan'asa hampihaona ireo filoha efa nifandimby teo aloha sy ny filohampirenena am-perinasa amin'izao fotoana ny FFKM, ary eto Madagasikara no eritreretina hanatanterahana izany.
Tsy zavatra hafa fa dia dingana amin'ny fampihavanana ataon'ny Fiangonana izao hetsika izao. Tsy nahavita nampihaona ireo filohan'ny ankolafy 4 ny FFKM tao anatin'ny 5 taona noho ny fitsivalanan'ny fitondrana tetezamita ny amin'ny fidiran'Atoa Marc Ravalomanana eto Madagasikara. Na nisy aza ny fihaonana teo amin'ity filoha teo aloha ity sy ny filohan'ny tetezamita dia ivelan'i Madagasikara, tatsy amin'ny nosy Seychelles no nanaovana izany. Ny tsy fisian'ny fihaonana an-tampony teo amin'ireo filohan'ny ankolafy efatra no heverin'ny maro fa mampikatso ny fampihavanam-pirenena tena izy sy mbola mampahazo vahana ny sangodim-panina politika hatramin'izao. Tsapa fa mandringa ihany ny fahefan'ny mpitondra ankehitriny noho tsy nahavitana dingana lehibe momba ny fampihavanana nandritra ny fitondrana tetezamita; na ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy aza dia hita hoe tsy afa-nihetsika firy ary tsy nahavita ny ampahatelon'ny asa tokony nataony akory, hatreto aloha. Hita fa nanaja tena ihany koa ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy ka tsy nanao di-doha hanery hampihaona rehefa hita sy tsapa fa misakana ny amin'ny fanaovana izany ny mpitondra tetezamita. Nampiseho fahavononana feno hiroso lalina kokoa amin'ny fampihavanana ny filoha Hery Rajaonarimampianina, efa nihaona tamin'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ary manaiky ny nodiany eto Madagasikara saingy misy ny fandaminana tsy maintsy arahana. Heverina ary fa tafiditra tsara ao anatin'izany lojika izany ity fampihaonana ny 5 tonta kasain'ny FFKM atao ity. Dia samy miandry ny ho tohiny ny rehetra satria hatreto aloha dia tsy mbola misy daty na tetiandro, siosion-dresaka fotsiny no nandrenesana fa tombanana ho tsy maintsy tafody an-tanindrazana amin'ity taona 2014 i Marc Ravalomanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.