FFKM Faritany Atsimondrano

Nanamafy fa tsy miandany amina kandida


  • Alakamisy 23 Mey 2024

Ao anatin’ny fampielezankevitra momba ny fifidianana ho solombavambahoakan’i Madagasikara moa isika izao,

hoy ny filohan’ny Fiombonan’ny fiangonana Kristianina eto Madagasikara na FFKM faritany Atsimondrano, ny Mpitandrina Randrianaivoarivelo Rado Bera. Hamafisiko eto, hoy izy, fa ny FFKM faritany Atsimondrano dia tsy miandany amina kandida ao amin’io distrika io. Nisy tokoa ny fotoana nitrotroan’ny FFKM am-bavaka ny mpifaninana rehetra. Nanao fanasana ny FFKM. Natao tao amin’ny FJKM Ambanilalana finoana izany tamin’ny fotoan’androny. Tonga tao avokoa ny solontenan’ny mpifaninana rehetra sy izy tenany kandida nanatrika izany fotoam-pivavahana fitsofan-drano izany. Tsy manao politika ny FFKM, noho izany, tsy misy afaka mitondra ny anaran’ny fiangonana sy ny fiombonan’ny fiangonana toy izany ny solombavambahoaka na mpifaninana ho solombavambahoaka fa mitrotro am-bavaka no efa natao. Ny FFKM kosa nefa dia manaporofo eo amin’ny fiarahamonina misy azy fa raiamandreny ka ao amin’ny faritra misy azy dia mijoro ho mpanelanelana. Mijoro ho mpitana ny marina, indrindra, ny filazantsara amin’ny fotoana ilany izany ary raha ohatra ka mahakasika izay tsy firosoana amin’ny fanaraha-maso fifidianana izay dia izy io moa dia manaraka ny fandaminana avy amin’ny rafitra ambony ny avy aty amin’ny faritany, izany hoe, ny avy eo anivon’ny FFKM foibe. Ry zareo avy any no manome ny toromarika hoe izao indray no ataontsika ho mariky ny fiombonana sy maha raiamandreny antsika dia manaraka an’izay ny FFKM manerana ny faritany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT