Finoana

FFKM « Aza kivy fa tsy maintsy handresy isika”


  • Alatsinainy 06 Aprily 2020

Nandefa hafatra mafonja ho an’ny Kristiana sy ny vahoaka Malagasy ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) omaly nandritra ny fanompoam-pivavahana natao teny amin’ny Fjkm Katedraly Analakely

 

 

 

.Mandalo izao fotoan-tsarotra izao fa tsy maintsy handresy isika hoy ny filoha mitarika ny FFKM ny Pastora Dr Rakotonirina David satria momba antsika Andriamanitra.Mankahery ny vahoaka Malagasy ny FFKM , aoka isika tsy ho kivy ka hitodika amin’i Jesoa KristyTompo, hoy ny fanambarana.Miantso ny Kristiana hibebaka eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny tsy mety atao ny FFKM ; miantso ny rehetra ihany koa handala ny fiombonana sy ny fahamarinana.Aoka atsahatra ny teny, fihetsika mety hitarika fisamatsamahana na fifandrrafiana, hoy ny fanambarana.Nanome hafatra ho an’ireo mpitondra fanjakana sy mpitantana ny firenena koa anefa ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara ka nanambara hoe : aoka hiasa am-pahamarinana sy amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra ianareo.Mahatsiaro ireo fianakaviana miatrika ady mafy sy sarotra ny FFKM ary mankahery hatrany azy ireo.Nanomboka omaly alahady ny 5 aprily moa ny herinandro masina mialohan’ny Paska ka na tsy mbola niverina aza ny fiombonan’ny mpino anya m-piangonana dia misy hatrany ny fanompoam-pivavahana isan’andro afaka isaky ny amin’ny 5 ora hariva ao amin’ny TVM sy ny RNM.Ny toerana hanaovana sy hanehoana izany no miovaova ka tahaka izao izany :omaly alahady 5 aprily dia tao amin’ny Fjkm katedraly Analakely, anio alatsinainy 6 aprily eny amin’ny Fjkm Isotry Fitiavana, rahampitso talata 7 aprily dia eny amin’ny FLM Ambatovinaky, ny alarobia 8 aprily eny amin’ny EEM Katedraly Ambohimanoro, ny alakamisy masina 9 aprily kosa dia atao eny amin’ny FLM 67 Ha, ny zoma 10 aprily kosa dia eny amin’ny EKAR Andohalo ary mbola eny Andohalo ihany no hanatanterahana ny Paska iombonana ny alahady 12 aprily.Ireo filoham-piangonana 4 mirahalahy sy izay manampy azy ireo no mitarika ny fotoana rehetra ; tsy misy mpianakavin’ny Finoana manatrika ireo fotoana rehetra ireo fa amin’ny fahitalavitra sy ny onjam-peo no hijery sy hihaino izany ny rehetra.

.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT