Finoana

Fetin’ny pentekosta Ny akoho efa maty no be mpividy, tsy nisy mpanontany ny vorona


  • Talata 11 Jona 2019

Nangina ny fetin’ny Pentekosta izay nankalazaina ny alahady lasa teo raha oharina tamin’ny fetin’ny paska. Raha araka ny fanazavan’ireo mpivarotra mantsy dia tena maina ny tsena, indrindra fa ho an’ireo mpivarotra akoho amam-borona velona.

 

 

 

Zara raha nisy nividy izany tamin’ny ankapobeny. Tany amin’ireo akoho fakana nofony efa maty sy ny hena no nifatratra ny rehetra. Mbola nijanona ho 12.000 Ar avokoa mants ny kilao tamin’ireto farany raha efa nisy nahatratra 140.000 Ar ny vorontsiloza lahy iray lehibe. 50.000 Ar kosa ny vorontsiloza vavy kelikely sy ny gisa raha 20.000 Ar mahery ny ganagana. 20.000 Ar latsaka kosa ny akoho, antony nanosika ny mpividy tsy handany volabe loatra. Maromaro rahateo ireo fety tsy maintsy hatrehina amin’ity volana jona ity. Zara raha nikarama vokatr’izany ireo mpamoly akoho sy vorona. 500 Ar mantsy no hamolosan’izy ireo ny akoho eny an-tsena, 1.000 Ar ny gana raha 2.000 Ar ny gisa sy ny vorontsiloza.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT