Finoana

Fetin’ny Pentekosta Nihena ireo olona namoy ny ainy sy naratra


  • Alarobia 07 Jona 2017

Olona sivy no namoy ny ainy nandritra ny fetin’ny pentekosta lasa teo manerana ny nosy ka 2 tao amin’ny HJRA, raha ny vaovao azo tetsy amin’ny hopitaly HJRA.

Ny iray tamin’ireo matin’ny toaka, ny iray matin’ny lozam-pifamovoizana. Nihena io isa io raha oharina tamin’ny fetin’ny paska lasa teo. Toraka izany koa ireo naratra tamin’ny sabotsy, nahatratra 129,  nidina ho 58 ny alahady ary nihena ho 50 ny alatsinainy. Mikasika ny tsy fandriampahalemana manokana dia jiolahy telo no saron’ny polisin’ny UIR ny alatsinainy alina tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany rehefa avy  nanendaka mpivady teny Ankasina. Samy mitondra antsy lavalela anefa izy ireo ka ny tanan’ilay Rangahy  an-kavia sy teo ambanin’ny maso an-kavanana no notsindronin’izy ireo tamin’ny antsy.  Ilay Ramatoa kosa nodarodarohan’izy ireo ka saika voa mafy  mihitsy. Nalain’izy ireo  ny vola teny amin’ilay Rangahy  sy ny gourmette volafotsy taorian’izay. Tonga teny an-toerana tampoka anefa ny polisin’ny UIR. Lehilahy roa no hitany nivoaka avy tamina elakela-trano iray ka nenjehin’izy ireo. Tafaporitsaka ny iray fa ny iray kosa nanambana hitoraka antsy ilay polisy. Mba ho fiarovan-tena dia nitifitra ity farany ka lavo ilay jiolahy izay fantatra fa tena avy nanafika ireto mpivady ireto mihitsy.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT