Finoana

Fetin’ny olo-masina Nety ny tsena ho an’ireo mpivarotra voninkazo


  • Alakamisy 02 Novambra 2017

Na dia anisan’ireo fomba efa tranainy indrindra nahazatra aza ny fanateram-boninkazo eny amin’ny fasana rehefa fetin’ny olo-masina ny 1 novambra, mbola maro ireo nanatanteraka izany omaly.

 

Anisan’ireny ireo nanan-kavana matin’ny aretina pesta farany teo izay tsy azo nalevina tany am-pasan-drazana fa voatery nalefa teny Anjanahary.  Toraka izany koa ireo efa nanao fangatahana ka tsy afaka nanao famadihan-drazana tamin’ity taona 2017 ity noho ny firongatry ny pesta. Somary netinety ny tsenan’ireo mpivarotra tetsy Anosy, raha araka ny fanadihadiana natao. 3.000 Ar sy 4.000 Ar rahateo dia efa nahazo ireny karazam-boninkazo  amin’ny tavy efa maniry sy mamony tsara tarehy raha nisy ihany koa ireo nividy raozy fotsy sy mena tokana amin’ny vidiny 1.000 Ar isanisany ho an’ireo olona akaiky azy efa nodimandry. Nisy tamin’ireo mpanjifa no lasa lavitra mihitsy nanati-boninkazo omaly ary nisy ihany koa ireo nanamboatra fasana  hiatrehana ny fotoam-pahavaratra sady nanatanteraka fiaraha-misakafo kely teny amin’ny fasana. Nisy koa ireo nanararaotra ny andro tsy fiasana omaly fotsiny nitondrana ireo fianakaviany nialavoly kely.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT