FETIN'NY PENTEKOSTA

Mitaky toe-po madio sy mahitsy, hoy Pastera Heritiana


  • Talata 03 Jona 2025

Hankalazaina amin'ny Alahady 08 Jona ho avy izao ny fetin'ny Pentekosta amin'ity taona 2025 ity.

Raha araka ny fanazavan'ny Pastera Heritiana Randriarimalala dia fety tamin'ny andron'ny zanak'Israely izy io, natao hanompoana sy hiankohofana eo anatrehan'Andriamanitra. Miisa telo lehibe ireo fety ireo hoy izy ka ny fetin'ny Paska no nisantarana izany fahiny mitohy amin'ny fetin'ny Pentekosta ary ny fetin'ny tabernakely ny farany. Ho an'itsy faharoa dia nifanindry an-dalana tamin'ny fotoana nilatsahan'ny Fanahy masina izany tamin'ny andron'ny Apostoly ka lasa fety Kristianina. Mitaky toe-po madio sy mahitsy eo anatrehan'Andriamanitra ny fiatrehana izany raha araka ny fanazavany. Lalana roa kosa hoy izy no hahafahana mandray ny Fanahy masina dia ny fanoloran-tena ho an'Andriamanitra marina ary ny fandehanana mivavaka. Tena mivavaka miditra any am-piangonana mihitsy hoy izy mba hahazoana finoana lali-paka amin'ny alalan'ny toriteny. Tsiahivina moa fa fiangonana maro no efa manao fotoam-bavaka hiatrehana Io fetin'ny Pentekosta io amin'ity herinandro diavintsika ity.
Pati
Légende : Pastera Heritiana Randriarimalala mitaona hatrany ny olona mba hivavaka !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT