Finoana

Fetin’ny Paska Tomefy olona Antsirabe


  • Talata 18 Aprily 2017

Miha malaza sy mivoatra hatrany ny fetin’ny Paska tany Antsirabe ary miha mahasarika ny mpivahiny manodidina sy ny avy any ivelan’Antsirabe hatrany.

 

 Teo aloha dia orinasa goavana iray hatrany no mifehy ny fety eo anoloan’ny gara. Amin’izao fotoana, efa zavon-tany ireo orinasa Malagasy misehatra amin’ny fanafanana ny fety ka mameno toerana maro, toy ny orinasa “L’ile Rouge-Comadis”, ny “Dzama-Za Malagasy”, ny Sodeam, ny Star, mahazatra hatramin’izay. Anisan’ny nampalaza ny fety ny fisian’ireo mpanakanto malaza. Ankoatra ireo seho an-tsehatra dia maro be ireo kilalao isan-karazany natokana ho an’ny kilonga toy ny fifaninanana karaoke sy ny Smile Party nokarakarain’ny haino aman-jery iray tany Antsirabe. Nampiavaka ity fetin’ny paska 2017 ity ny fisian’ny afomanga goavambe natolotry ny orinasa Comadis. Feno avokoa ireo trano fandraisam-bahiny isan-karazany tao Antsirabe nandritra ny fetin’ny paska.

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT