Fety masina ny fetin’ny paska saingy amin’izao fotoana kosa dia toa efa lasa mivaona amin’izay ny ankamaroan’ny olona, eny fa ny kristianina mihitsy aza no tena maro manao azy.
Ny fety masina tahaka izao no lasa fotoana himamoana sy hanaovana zavatra tsy mendrika isan-karazany, raha ny zava-misy hita eny amin’ny fiarahamonina ankehitriny. Mitombo ireo olona mamo eny an-dalambe, mitombo ireo olona hita eny amin’ireny toeram-pandihizana na fanalan’azy, araka ny filazan’ny tanora, eny fa na hatramin’ireo tovovavin’ny alina mpampanofa tena aza dia ny vaninandro toy izao no ambaran’izy ireo fa fotoana fanararaotana hahazoana vola bebe kokoa ny vola ho azy ireo. Mety ho lasa fihomehezana ny tahaka izany, saingy rehefa tena halalinina, dia anisan’ny mety ho antony mampikorosy fahana ny firenentsika. Raha ny ara-panahy, ny fanimbazimbana ny fety sokajiana ho masina indrindra no miteraka ozona ho antsika. Raha ny lafiny toe-tsaina kosa dia tsy mahay mandanjalanja ny fomba aman-pihetsika intsony ny Malagasy fa dia mandeha ho azy ara-bakiteny ny zava-drehetra. Tsy misy intsony ny fandalinana ny mety sy ny tsy mety fa baranahiny ara-bakiteny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.