Finoana

Fetin'ny Paska Niezaka nifaly ny olona na dia sahirana aza


  • Talata 19 Aprily 2022

Be loatra ny fahasahiranan'ny Malagasy. Vao nipoitra ity taona vaovao 2022 ity dia ny fiakaran'ny vidin'entana no tena nikapoka ny isan-tokantrano antony iray tsy nahafahana nanangona mihitsy na dia kely monja aza.

Na izany aza anefa dia niezaka ny nifaly ihany ny isan-tokantrano nandritra ny fankalazana ny fetin'ny Paska sy ny alatsinain'ny Paska omaly. Tamin'ireo toerana vitsivitsy izay notetezinay ohatra dia saika feno avokoa ireo ivon-toerana misy karazana kilalao sy dobo filomanosana, saingy amin'ilay 5.000 Ar isan'olona tsy mihoatra kosa. Anisan'izany ny teny Ambohimanambola sy ny manodidina teny. Ny tena mampanahy mafy anefa dia mbola eto amintsika ny valan'aretina Covid 19. Mbola mamono olona sy mifindra hatrany izy io ary tsy mifidy na any anaty dobo filomanosana amin'ny alalan'ny tsiranoka izany na amin'ny alalan'ny piti-drora sy ny lelo antony tsy maintsy hanaovana arovava orona. Enganie ary mba tsy ho tahaka izay sanatrian'ny vava no antony hampahazo vahana ity areti-mandoza ity eto amintsika indray tahaka ny nitranga tany Toamasina 3 taona lasa izay ka nahafatesana olona maro. Saika tsy nisy nanao arovava orona intsony moa ny mpitsangatsangana omaly no sady tsy nanaja ilay elanelana 1 metatra.
Pati
Legende : Fenobe tahaka izao ny toeram-pilomanosana teny rehetra teny
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT