Fetiben’ny firahalahiana

Nigadona eto Madagasikara I Dr Peter Youngren


  • Alarobia 20 Septambra 2023

Nigadona teto Madagasikara omaly 19 septambra tolakandro i Dr Peter Youngren avy any Amerika,

tonga hitory filazantsara ao anatin’ilay hetsika lehibe antsoina hoe: “Fetiben’ny firahalahiana”. Naneho ny hafaliany amin’ny fahatongavany eto indray. Nampahatsiahy fa 17 taona lasa izay no tonga teto, ary tsy adinoko, hoy izy, ny nitenenako tamin’izany, fa mbola hiverina. Tamin-kafaliana no nihaonany tamin’ireo olona maro tonga nitsena azy. “Tsy handeha hanindrahindra vondron’olona iray na hanambany ny hafa fa ny antom-pahatongavako dia ny hanandratana an’I Jesoa Kristy”, hoy I Dr Peter Youngren. Izy izay naneho, fa tsy mikasika na mametra-tànana fa misy tànana mahagaga manasitrana ny olona. Nambarany fa hisy hetsika lehibe hatao eto Madagasikara, amin’ny faritra miisa 7, ka hanombohana izany ny eto Antananarivo. “Efa nitety firenena zato maneran-tany I Dr Peter Youngren, mitory filazantsara maneran-tany. Mampiavaka azy amin’ireny “Croisade” maro isan-karazany amin’ny firenena maro, dia ny azy tsy hoe fetin’ny filazantsara, fa ny hitondrany azy dia fetiben’ny firahalahiana, ka hasainy ao daholo ny rehetra na silamo na indouiste na boudiste,… ahafahany mitory ho an’ireo hafa finoana”, hoy I Pasitera Solofo Ramiarason. Ny 21-22-23-24 no hifamotoana amin’ny rehetra i Dr Peter Youngren ka hanasany sy ireo mpikarakara ny rehetra eto Antananarivo, ary misy avy any amin’ny Faritra aza ho avy eto, raha ny fanamarihana. Tsy misy vidim-pidirana, ary tsy hanavahana antokom-pinoana ny hetsika, raha ny fanamarihana. Hisy ihany koa ny seminera hatao eny amin’ny Gymnase Couvert Ankorondrano izay hanasana ireo mpanompon’Andriamanitra marobe izay hahazo fiofanana ara-baiboly. Zava-dehibe ny fanatrehana an’io, zavatra mbola tsy nisy teto ny hoe: fetiben’ny firahalahiana satria ao daholo ny antokom-pinoana samihafa, hoy I Pasitera Solofo Ramiarason.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT