FBL FLM Ambatovinaky

Nankalaza tsingerin-taona roa sosona


  • Talata 05 Martsa 2024

Nankalaza tsingerin-taona roa sosona ny sampana Fikambanam-Behivavy

Loterana (FBL) FLM Ambatovinaky ny Sabotsy 02 marsa 2024. Feno 30 taona ny rantsana Maria-Marta, ary 20 taona kosa ny Antsan’ny Maria-Marta izay antoko mpihira zanakavavin’ny Maria-Marta ihany. Samy rantsan’ny sampan’ny FBL ao amy FLM Ambatovinaky ireo rantsana roa nankalaza tsingerin-taona, ka nahatonga ny fankalazana ho roa sosona. Fanokafana ihany no natao fa amin’ny 12 mey 2024 izao ny ivon’ny fankalazana. Fiaraha-misakafo no nanamarihana izany lanonana izany, kanefa nandritra izany koa ankoatra ny antsan-kira nifandimbiasan’ireo rantsana roa ireo (ny reniny sy ny zanany) dia nankalaza mialoha ny Andron’ny Vehivavy 8 marsa ny Maria-Marta. Nohazavaina koa ny niavian’ny anarana Maria-Marta sy ny antom-pisiany: Maria finoana, Marta finoana sy asa. Manerana ny saha loterana eto Madagasikara dia ao Ambatovinaky ihany ny FBL no manana rantsana kka io Maria-Marta io. Raha ny fanazavana dia fahita any amin’ny Fiangonana Loterana any Amerika Avaratra io rantsana fikambanam- behivavy io, ka heverina fa fahazarana avy any no nentin’ny Dr Rasolondraibe Péri mivady nisintonana aingam-panahy nananganana ny rantsana Maria-Marta tao amy ny FLM Ambatovinaky. Tonga nanatrika izany fotoana izany ireo Pastora maro ombam-bady avy anatin’ny SPAnta, ary koa ireo vadina Pastora efa nitodi-damosina ny tany. Niakatra tao Ambatovinaky nanome voninahitra ny fety koa ny Dr Rasolondraibe Péri, Pastora, sy Ramatoa vadiny, izay Raiamandreny nanorina ny rantsana Maria-Marta sady Mpitondra Fitandremana tao Ambatovinaky tamin’izany fotoana izany. Fifaliana sy totorebika no nisongadina fa samy velon’aina 30 taona aty aoriana, hoy ny fampitam-baovao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT