Finoana

Fasan’ny olon-tsambatra Victoire Rasoamanarivo Notsidihan’ny Papa, maro ireo ray aman-dreny no nangataka tso-drano


  • Alatsinainy 09 Septambra 2019

Avy nihaona tamin’ireo Eveka manerana ny nosy teny amin’ny katedraly Andohalo ny Papa Fransoa, dia nitsidika sy namangy ny fasan’i Victoire Rasoamanarivo olon-tsambatra.

 

 

Hipoka olona avokoa ny lalana rehetra nandehanan’ny Papa ary nihofahofa ny saina miloko mavo sy fotsy ary hita ho faly sy ravoravo ny  olona azy. Taorian’ny fihaonana, namangy ary nangataka tso-drano  tamin’i Victoire Rasoamanarivo ireo ray aman-drenin’ny mpianatra manan-janaka hanao fanadinana amin’ity herinandro ity. Ho an’ny olon-tsotra kosa, dia fahasoavana sy fiadanana no nangatahin’izy ireo tamin’ity olon-tsambatra ity. Nanantena koa izy ireo fa hitondra fiadanana sy fanantenana ary rivo-baovao ho an’ny Malagasy tsy ankanavaka ny fandalovan’ny Papa eto amintsika sy izao fivahinianana Apostolika ataony izao, hoy ny fanehoan-kevitr’ireo olon-tsotra teny an-toerana.

Sitraka r

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT