Finoana

Faribolam-pandinihana Silamo « Mila fahaizana ny miara-miasa amin’ny vahiny. »


  • Talata 11 Febroary 2020

Misy ny zavatra mbola mila alamina mikasika ny fitantanana ny raharaham-pirenena amin’izao taona faharoa an’ity fitondrana ity izao, raha ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny faribolam-pandinihana Silamo.

 

 

Araka ny nambaran’ny sekretera jeneraliny, Moussa Soalihy, dia fiaingana iny taona lasa iny ary tokony ho efa miditra amin’ny atao hoe fanatanterahana ireo vina amin’izay kosa amin’ity taona ity. Tsy mora ny manao zavatra, hoy ny malagasy. Tsy maintsy mbola misy ny sakantsakana satria izany atao hoe fisandratana na “Emergeance” izany dia toe-tsaina. Ilay vahoaka mihitsy no mila zatra toetsaina mandroso aloha, hoy ny tenany. Mila manaiky fandaminana koa. Ny tombontsoan’ny Malagasy manontolo no tokony hojerena. Tsy manan-jo hanao ny tsy mety intsony ireo mpikamban’ny governemanta ireo ary izaho mihitsy no hangataka ny fialan’izay tsy mahavita azy, hoy hatrany ny tenany. Hevi-diso indraindray ny famaritantsika ny atao hoe tia tanindrazana. Tsy ny fanilihanao vahiny velively no midika fa tia tanindrazana ianao fa ny fahaizanao miara-miasa amin’ny vahiny sady mijery ny tombontsoam-pirenenao. Afaka mijery ny toerana misy an’I Dobay ankehitriny isika, ohatra, fa firenena efa nisy 150 isa no niara-niasa taminy. Tamin’ny andron’ny fanjanahantany, hoy hatrany izy, no nilaina ny fanilihana vahiny.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT