Fanorenana fiangonana ao Talata Volonondry

Hanao famelabelaran-kevitra ny Profesora Jonah Ratsimbazafy


  • Talata 19 Aogositra 2025

Ho fanampiana ho fividianana ny tany hanorenana ny fiangonana ao Talata Volonondry,

ny Vondron’olona miara-mivavaka na VOMM ao Talata Volonondry dia manomana fiofanana na «formation» haitarika sy fitantanana na «management et leadership», hoy ny fampitàm-baovaon’izy ireo omaly. Fiangonana FJKM na Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara izy io ary ao anatin’ny Synodam-paritany Iarivo Andrefana faha 19 na SPIA 19, hoy ny fanazavàna. Manohana izao ezaka izao ihany koa ny Sampan’asa fitoriana filazàntsara ao an-toerana na SAFIF AF sy ny SMMK. «Ny hahatongavana ho mpitantana sy mpitarika mahomby» no ho velabelarin’ny mpampianatra mpikaroka, ny Profesora Jonah Ratsimbazafy, izay efa nahazo ny anaram-boninahitra iraisampirenena, Docteur Honoris Causa, ary filohan’ny orinasa Internationale de primatologue sy manana ny mari-pahaizana PhD tany amin’ny oniversiten’i Stony Brook, ao New York, Etazonia, ny zoma 22 aogositra 2025 izao, amin’ny 8 ora maraina. Ny hoe «Ahoana no maha tafita eny amin’ny anjerimanontolo?» kosa no ho velabelarin’ny Dr Andriamandroso Andry, izay Dokotera amin’ny fitantanana sy fampivoarana isam-paritra ny 29 aogositra 2025. Samy atao ao amin’ny ONIFRA na Oniversity FJKM Ravelojaona ao Ampandrana avokoa izany rehetra izany. Misy fandraisana anjara amin’ireo antotan-kevitra ifampizaràna eny an-toerana, raha ny fanazavàna hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT