Finoana

Fanopoabe 2014 Fitahirizana sy fanohizana ny fomban-drazana Sakalava


  • Alakamisy 17 Jolay 2014

Miaina ny Fanopoabe ny ao Mahajanga nanomboka ny alatsinainy 14 jolay teo

Lanonana fanao isan-taona entin’ireo Sakalava manome hasina ireo razan’Ampanjaka nifandimby ao Boeny antsoina hoe Izy Efa-dahy Manan-kasina izay tehirizina ao amin’io Doany Miarinarivo, Tsararano Ambony, Mahajanga io. Haharitra herinandro ny hetsika. Tanterahina mandritra izany ny fampandroana ny taolambalon’izy Efa-dahy manan-kasina. Nampiarahina tamin’izao lanonana ara-drazana izao ihany koa ny Festival Koezy andiany faha IV, izay hetsika famelomana sy fanasongadinana ny kolontsaina sakalava ahitana ireo dihy, fitafy sy bango nentim-paharazana.  Nambaran-dRtoa Lizah Ndrialisoa, nisolotena ny minisitry ny kolontsaina sy ny vakoka tamin’ny lanonam-panokafana, fa tanjon’ny Minisitera ny hampifandray ny Malagasy rehetra eo amin’ ny lafiny ara-kolontsaina, ao anatin’ izany ny fanajana ireo raiamandreny sy ny fomban-drazana. Homen-danja ny fifanakalozana sy ny fifaneraserana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT