Finoana

FANILO FLM - CNaPS Voasonia ny fifanekem-piaraha-miasa


  • Alarobia 28 Martsa 2018

Ho tohin'ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo anivon'ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) sy ny CNaPS izay tantanan’Atoa tale jeneraly Arizaka Rabekoto Raoul tamin'ny taon-dasa dia tontosa tany amin'ny « Cercle Messe Mixte de la Garnison Antsirabe » ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin'ny Fampandrosoana anivon'ny Fiangonana Loterana Malagasy sy ny CNaPS.

 

 Nanao sonia izany tamin'ny anaran'ny Fanilo FLM ny filoha lefitry ny FLM ny Pastora Andrianjafy Octave Bénil sy ny tale jeneralin'ny CNaPS Arizaka Rabekoto Raoul. Vontoatin'ity fifanaraham-piaraha-miasa ity ny hidirana lalindalina kokoa eo amin'ny fampanjariana ny fisitrahan'ny olon-drehetra ny zo ara-tsosialy. Tsy hijanona amin'ny fiofanana na fanofanana fotsiny fa hijery ny zava-misy eny anivon'ny mpiara-belona, hidina ifotony hamantatra ny sakana amin'ny antony tsy fahatanterahana ka hanentana, hifanakalo hevitra hampahafantatra an'ireo tsy mahafantatra ny lalàna ny tokony hanajana ny zo ara-tsosialy, hamerina indray ireo mpiasa sasany avy amin'ny sehatra tsy miankina efa nanana izany kanefa tapaka noho ny antony samihafa. Tsy  ireo mpiasa eo anivon'ny FLM na ny mpino Loterana ihany no hiasan'ny Fanilo fa na ny ivelan'izay koa aza satria fiahiana ara-tsosialy ho an'ny rehetra no tanjona ary mbola nohamafisin'ny Tale jeneralin'ny CNaPS rahateo ny hoe " hananan'ny rehetra fiahiana ara-tsosialy no tanjona ka mba tsy hisy intsony olona tsy misitraka ny zony. Ny tantsaha nefa tsy manana izany hatreto kanefa tsy maintsy hezahantsika ny hahazoany satria mpiasa koa ny tantsaha ary fanamby no apetratsika", hoy hatrany izy. Nantintranteriny fa hiantoka ny fampiofanana sy ny fifampizarana traikefa momba izay zo ara-tsosialy izay ny CNaPS. Hidina ifotony eny anivon'ny fiarahamonina kosa ireo mpanentana miasa an-tsitrapo eo anivon'ny Fanilo.

 

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT