Finoana

Fanendrena Kardinaly Voadingana i Madagasikara


  • Talata 21 Febroary 2012

Kardinaly vaovao miisa 22 avy amina firenena maro no notendren’ny Papa Ray Masina Benoît XVI ny alahady 19 febroary lasa teo tany Vatican – Rome, saingy tsy anisan’ny mba nahazo tamin’izany i Madagasikara.

 Efa tamin’ny 2010 anefa no nodimandry ny Kardinaly Armand Gaetan Razafindratandra, ary tsy mbola nisy ny nasolo azy tamin’ny fomba ofisialy. Efa tena mba niandrandra io fanendrena io anefa ny mpino Katolika teto Madagasikara, saingy voatery hiandry amin’ny manaraka indray izany aloha. Mampametra-panontaniana ny maro ihany ny antony tsy mbola nanendrena ny Arsevekan’Antananarivo ny Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona ho Kardinaly. Ny iraisan’ny rehetra feo aloha dia ny hoe : mety nahatsapa ny any Vatican fa tena niditra lalina loatra tamin’ny resaka politika ny fiangonana Katolika eto Madagasikara noho ny nataon’ity Arseveka ity, tamin’ireny fiandohan’ny taona 2009 ireny.

Hatramin’izay mantsy, na dia manana olona ao anatin’ny fitondrana aza ny Eglizy Katolika dia tsy niseho masoandro be manelanelana fifanolanana politika tahaka ny nataon’ny Mgr Odon Razanakolona ireny. Maro be moa ny resaka nandeha tamin’ireny fotoana ireny ary nisy mihitsy aza ny olona sasany nanome tsiny ny Katolika fa hoe : manohana ny fanonganam-panjakana nataon’i Andry Rajoelina. Tsy mbola nahazo ny fankatoavana iraisam-pirenena tena izy ny fitondrana tetezamita, ary dia hita sy tsapa koa ankehitriny fa tsy mbola nahazo ny fankatoavan’ny ao Vatican ny hanendrena Kardinaly vaovao eto Madagasikara.

Manana masoivoho eto amintsika ny ao Vatican, ary dia manaraka akaiky ny fizotry ny raharaham-pirenena izany masoivoho izany. Azo antoka fa manao tatitra matetika any amin’ny Papa Ray Masina ary milaza ny zavatra misy marina eto, na eo amin’ny lafiny ara-pinoana io, na eo amin’ny sehatra politika sy sosialy. Tsy tokony hohadinoina fa tena manao asa sosialy maro be eto Madagasikara ny Katolika ary manana fikambanana tena matanjaka amin’ny sehatr’asa maro. Na izany aza anefa dia tokony hampieritreritra ireo lohandohan’ny mpisorona mitarika ny Eglizy Katolika eto Madagasikara ihany izao nandinganan’i Vatican antsika izao ka tsy nanendreny Kardinaly Malagasy vaovao.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT