Finoana

Fanelanelanan’ny FFKM Mbola henjana ny lalao


  • Alatsinainy 14 Mey 2018

Tsy mbola voafaritra mazava ny vahaolana mahomby sy azo antoka amin’izao toe-draharaha misy eto amintsika izao. Mihamafy hatrany ny hetsika fitakiana ataon`ny depiote ho an`ny fanovana izay efa miparitaka manerana an’i Madagasikara, eny hatrany ivelany ihany koa aza.

 Andrasana hatrany ny fanelanelanana ataon`ny FFKM satria raharahan`ny samy Malagasy. Raha resaka fampihavanana aloha dia mitsipaka marindrano ny fifampidinihana amin`ny tana-mihosin-dra, mpanao kolikoly ny depiote ho an`ny fanovana. Tsiahivina fa ny 30 aprily 2018 lasa teo no nanombohan`ny FFKM ny fanelanelanana teny Vohipiraisana ka ny vondrona parlemantera HVM ihany no namaly ny antso fa nijanona teny amin`ny kianja 13 mey ny depiote 73. Mbola henjana ny andraikitry ny FFKM satria toa vao mainka fifanenjanan-dava no mitranga amin`izao fotoana ary tsy misy manaiky ho diso. Ny eo amin`ny fitondrana sy ny mpomba azy ihany koa anefa toa mihazakazaka amin`ny fanelanelanan`ny vondrona iraisam-pirenena kanefa ireo depiote mpanohitra mitsipaka tanteraka ny fitsabahan`ny vahiny amin`ny raharahan`ny samy Malagasy. Mikatso ny fampihavanana ataon`ireto filohan`ny fiangonana ireto satria maro ny zavatra mampifandrirotra mety hahitana vahaolana maharitra. Eo amin`ny samy mpanao politika, ohatra, dia sarotra ny hametraka fifanarahana politika. Mbola zavatra hafa ihany koa ny fifidianana mba hisian`ny fifampitokisana mba tsy hifampiandry kendritohina eo indray.  Miandry izany “ady gasy” izany ny rehetra.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT